<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>AMPY HO ANAY NY FAHASOAVANAO ASAFA23 FF48</title>
<lyrics>[V1]
 Andriamanitra Fitiavana Ianao.
 Ka mihevitra ny momba anay ety.
 Raha mifoha maraina izahay dia
 Tsy afaka am-bavanay ny hoe :
 &quot;Ampy ho anay ny fahasoavanao&quot;.

[C1]
   Raha maraina mibaliaka
   Ny andronay ety,
   Ianao no masoandro
   Niaviany,
   Raha ny alin'ny ririnina
   No handalo ety,
   Ianao no kintana hitantana ny dia,
   Fa ny vavaka hatao
   'Zay mipololotra am-ponay ao hoe :
   &quot;Izahay anie hatoky Anao.&quot;

[V2]
 Andriamanitra Fitiavana Ianao
 Ka mitantana ny dianay ety
 Raha handimby ny andro ny alina
 Mbola tokana ny deranay hoe :
 &quot;Ampy ho anay ny fahasoavanao&quot;.</lyrics>
<hymn_number>23</hymn_number>
<author>Ndriana RAMAMONJY</author>
</song>